SOLIDIS uneinstitution financière pourl’émergence de Madagascar

Kitapom-bola Solidis

Kitapom-bola Solidis Kitapom-bola Solidis
  • Inona no azonay omena anao?

  • Inona avy ireo tombotsoanao?

  • Ho aniza?

  • Ahoana no atao


  • Inona no azonay omena anao?

    Ianao dia orinasa malagasy amin’ny ankapobeny tsy voaray ao anatin’ny fomba fiasan’ny Banky na koa ireo orinasa mpamatsy vola madinika nahazatra hatramin’izay ary ianao dia eo ampanombohana ny asanao na koa te hampiroborobo kokoa ny orinasanao ianao

    ny SCI, sampan-draharahan’ny SOLIDIS, dia manolotra anao vahaolana momba ny FAMATSIAM-BOLA MIVANTANA ary VOATOKANA ho famenon’ny antoka mba hanatsarana ny fahaiza-manaonao.

  • Inona avy ireo tombotsoanao?

    • Faharetan’ny valin-teny: ao anatin’ny 15 andro aorian’ny nametrahana ny fangatahana
    • Famatsiam-bola MIVANTANA mba hanamafisana ny sehatra ara-bolanao
    • Fanampiana ara-teknika sy fanaraha-mason’ny mpiray ombon’antoka iray misongadina.
    • Fitantanam-bola any ivelany
    • Fahalefahana amin’ny tetiandron’ny famerenam-bola, arakaraky ny karazan’asa.
  • Ho aniza?

    • PME/PMI ara-dalàna na eo andalam-pikarakarana izany
    • Nijoro nandrita ny 6 volana farafahakeliny
    • Efa nihoatra ny sehatra mésofinance
    • Kitampom-bola tsy ampy
  • Ahoana no atao

    Tsy misy arakaraka, alefaso aty aminay  ny tetik’asanao, ho dinihin’ny spesialista iray izany ary ho antsoiny ianao anatin’ny fe-potoana haingana indrindra.

    Inona avy ireo fandaharana?

    • Fisian’ny tombom-barotra ara-bola sy ara-tsosialy amin’ny tetik’asa.
    • Fampiasam-bola amin’ny KITAPOM-BOLA(Equity): Taha ambany hatramin’ny 35%. Izy io dia fakana ampahany amin’ny kitapom-bolanao. Ny fialanay dia atao amin’ny  fe-potoana niaraha-namaritra ary, amin’ny ankapobeny,  amin’ny fe-potoana iafaran’ny trosa, ary mifototra amin’ny fanajariana ny orinasa.
    • Fampiasam-bola amin’ny TROSA(quasi-Equity): Ny kitapom-bola nomena isaky ny tetik’asa novatsiam-bola dia mety hahatakatra hatramin’ny 500 millions MGA. Izy io dia fampidirana vola ao anaty kaontin’ireo mpiray ombon’antoka, na koa fampindramam-bola iaraha-mandray anjara. Ireo dia fidiram-bola mitombona izay azo kilasiana ho trosa mihantona. Izy ireo dia natao hanatevina ny kitapom-bola mba hanamorana ny fahazoana ny tosika avy amin’ny Banky.
    • Ny faharetan’ny famerenam-bola : hatramin’ny 60 volana
    • Faharetan’ny fikarakarana: 15 andro fiasana manomboka amin’ny daty nametrahana ny fangatahana